Tapitra iny fivoriana manokana natrehanay solombavambahoaka vaovaon’ny Repoblika fahaefatra. Amin’ny maha mpikambana vaovao ny tenako ary sambany mba nanitsaka izany efitrano fivorian’ny depiote izany, hoy Randrianarisoa Stanislas, dia somary nahavariana sy nahatalanjona ahy ihany ny zava-nisy natrehako tao.
Ny fieritreretako azy manokana, hoy ity depiote voafidy tao amin’ny boriborintany faha-2 eto Antananarivo Renivohitra ity, dia olona tsongoim-bolo eny anivon’ny vahoaka nifidy azy izany solombavambahoaka izany ary olo-manankaja tokoa ka izay no nifidianan’ny vahoaka azy. Toa tsy ao an-dapa anefa no fieritreretako ny tenako tao amin’io efitranon’ny Antenimieram-pirenena nivorianay io fa tahaka ireny any an-tsena ireny. Mifanaraby, mifaningo-paingotra no ataon’ny sasany rehefa tsy mitovy hevitra aminy ny tena. Mba efa nahavita fe-potoam-piasana roa tao amin’ny Filankevitra monisipalin’Antananarivo ihany ny tenako fa tao izahay dia nahay nifanaja tanteraka na dia tsy nitovy hevitra marindrano izao aza. Mino aho fa vao voalohany iny ka azo antenaina tanteraka ny hiovan’izany rehetra eny an-dapa izany amin’ny ho avy. Fa ho ahy voafidy tao amin’ny Boriborintany faharoa teto an-drenivohitra aloha, hoy Rastany, dia hezahina hotanterahina izay nilokalokana tamin’ny vahoaka fony fampielezan-kevitra na dia hoe ho 60 na 70% monja aza aloha ety am-piandohana. Mila governemanta haingana izahay hahazoana mifampiresaka amin’izay minisitra tompon’andraikitra ao fa mila “lisea ny eny Ambohipo” mba hanala ny fahasahiranana ny ray aman-dreny sy mpianatra tsy handoavana saran-dalana miakatra afovoan-tanàna intsony, mila toerana fanaovana fanatanjahantena lehibe ny eny amin’ny Boriborintany faharoa. Dia izany no tsangambato mba hirianay olom-boafidy itony hapetraka ho an’ny taranaka faramandimby.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.