Depiote Randrianantenaina José

> Vonona ny hifanome tanana ho an'ny fampandrosoana


  • Alakamisy 13 Febroary 2014

Nisaotra ireo rehetra nanohana azy tamin'iny fifidianana iny, indrindra ireo vahoakan'Antsirabe faharoa, izay mbola nametraka fitokisana aminy indray ny Depiote Randrianantenaina José.

Nambarany fa mitady fiaraha-miasa amin'ny rehetra ny tenany satria izay no tena antoky ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Nolazainy fa matoa samy nilatsaka dia samy manana hevitra hampandrosoana avokoa ka amin'ny maha fifaninanana masina azy dia izay voafidy aloha no manatanteraka ny asa izay tokony hifarimbonana. Nambarany koa fa misokatra ho an'ny rehetra ny tenany ary vonona ny hifanome tanana ho an'ny fampandrosoana izay iantsoany ny rehetra. Anisan'ireo kandidà natolotry ny Movansy Ravalomanana ka mbola voafidy ho solombavambahoaka tao amin'ny Distrikan'Antsirabe faharoa Randrianantenaina José ka izy no nitarika voalohany, narahin'ny kandidan’ny antoko Maitso, Rtoa Ravelohanitra Nirina.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT