«Tsy mbola vita ny tolona na dia mipetraka tsikelikely aza ny rafitra isan-karazany hitantanana ny firenena amin'izao fotoana», hoy ny Dépioté Randrianantenaina José raha nanontanian'ny gazety ny tenany amin'izao fahalaniany indray ho solombavambahoaka fanintelony izao ankoatra ny naha mpikambana azy teny anivon'ny Kongresin'ny tetezamita. Dingana ho an'ny famaranana ny tolona, hoy izy ny fidirana amin'ny andrim-panjakana fa tsy midika fa rava izany.
Tsiahivina, hoy ity mpandrindram-paritry ny Movansy Ravalomanana ao Vakinankaratra ity fa anisan'ny nitolomana ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny famoahana ireo gadra politika mbola any am-ponja ary ny fanokafana ireo haino aman-jery nakaton'ny FAT, ka araka ny fifanarahana tamin'ny vondrona iraisam-pirenena izay nilaza fa rehefa vita ny fifidianana, voapetraka ireo rafitra rehetra dia mody tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana izany, ka izay no hilazana fa mbola ao anatin'ny dingana amin'ny famaranana ny tolona izy ireo. Mino tanteraka moa ny tenany fa aorian'ny fitsanganan'ny governemanta izay antenainy tanteraka ny fisokafany no hirosoana tsikelikely amin'ireo dingana rehetra ireo. Raha nanontaniana ny mety ho laharam-pahamehana ho azy amin'izao fijanonany indray eny anivon'ny Antenimieram-pirenena izao izy dia nambarany fa ny hiady amin'ny fanarenana ireo lalana hivezivezen'ny rehetra eto Madagasikara no mahamaika azy ka ny lalàna mifanaraka amin'izany, ankoatra ny fanamorana indray ny fiainan'ny tantsaha amin'ny fanesorana ny haba amin'ny zezika, ny fijerena ireo mpampianatra FRAM izay tena miantoka ny fampianarana eto Madagasikara ary ady amin'ny tsy fandriampahalemana izay mampikaikaika ny maro tato ho ato. Na izany na tsy izany dia nambarany fa mbola hezahiny hotohizana hatrany ny asa soa sy fanampiana mivantana ireo manodidina azy araka izay vitany hatrany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.