«Tokony harovana sy homena hery ny filoham-pirenena vaovao ahafahany mampandroso haingana an'i Madagasikara», hoy ny Depiote Rambolamanana Jean Guy voafidy tao Betafo avy amin'ny fikambanana Bainga.
Na dia anisan'ireo depiote tsy miankina aza ny tenany dia nambarany sy nohamafisiny fa hiaraka hiasa amin'ny filoha vaovao izy fa tsy ho mpanohitra. Ho an'i Betafo manokana dia efa matotra ny fiaraha-miasa amin'ny any ivelany satria efa ela no nanomanany izay fony izy mbola nipetraka tany andafy. Efa maro ny tetikasa voaomana, hoy izy ary mahafaly ireo namany any andafy izao izy voafidy ho solombavambahoaka izao ahafahana manantateraka ireo asa efa nofaritany. Na izany aza dia efa maro no vita tao anatin'izay telo taona niomanany izay kanefa mbola ho maro ny hatao raha ny nambarany ihany. Antso avo, araka izany, no ataony ho an'ny mponina ao amin'ity Distrika ity mba hifanome tanana satria efa eo am-pelatanany avokoa ny laharam-pahamehana isaky ny Kaominina ka hisy ny fitadiavana fiaraha-miasa amin'ny fanjakana ary ny hiarahana amin'ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany. Efa ho telo taona izay no niasan'ny fikambanana Bainga tao amin'ny Distrikan'i Betafo izay nisahana lafiny maro nampandrosoana ny Kaominina miisa 18, toy ny fananganana CEG tao Farihimena, EPP tao Andranomafana, fanamboarana tohodrano maromaro isaky ny Kaominina, ankoatra ny fanohanana ny tanora tamin'ny lafiny fanatanjahantena nialoha ny fandrotsahan'ny kandidà Depiote ka nahalany ny Dr Rambolamanana Jean Guy. Nanamafy ity farany fa mila mandroso amin'izay i Betafo.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.