Politique

Depiote Ralambozafimbololona Fetra “Ataovy ny fanadihadiana momba ny tosika fameno”


  • Zoma 22 Mey 2020

Raha ny zava-misy eny amin`ny boriborin-tany fahadimy raha ny tatitra sy fitarainana voaray dia tsy tonga any amin` ireo olona tokony tena hiantefahany ny Tosika Fameno raha ny nambaran` ny depiote Ralambozafimbololona Fetra.

 

 

 

 

“Misy ireo olona izay tsy tokony hisitraka mahazo. Misy ireo manana fiara, misy no mana-katao. Manahy izahay fa hiteraka fipoahana ara-tsosialy raha izao no mitohy”. Kitrano an-trano no ilazana ny zava-mitranga amin` ity fanampiana ity. “Angatahiana ny fanjakana sy mpandrindra mba hisian` ny fanadihadiana. Tokony hisy fanara-maso sy tomban` ezaka hahaalalana marina hoe firy marina ireo fianakaviana misitraka izany ary iza izy ireo? Sahiko no manambara fa raha misy izay fanadihadiana izay dia hiharihary ny kitrano an-trano. Na ireo komity sy fokontany no miray tsikombakomba , na, mifidy tavan` olona sy akaikin` ny fony. Voahilika tamin` izany ireo mpomba sy mpanara-dian` ny filoha Ravalomannana. Lazaina foana fa ady iraisana ny covid-19”. Hentitra no nilazany fa tsy mandeha araka tokony izy ny Tosika fameno indrindra eny amin`ny faritra atsinanana toy eny Ambatokaranana, Ambohimirary,… Nomarihany fa efa natsipiny nandritra ny dinika tamin` ny praiministra ny hisian`ny fanadihadiana am-pomba ofisialy izay baikon` ny fitondrana. Atao fanadihadiana ireo nandrindra sy nitantanana ireo fanampiana nandritra ny fihibohana. Efa im-polo no nitaky izany kanefa raha tokony ho izy dia tsy tokony hisy andraso andraso ny fanatanterahana izany. Raha ny zava-misy amin` izao, mety herinandro maromaro na volana vitsivitsy mihitsy no hitohizan` izao ady izao ka tsy handaitra ny fihibohana raha hampahory vahoaka raha toa tsy tonga any aminy ny fanampiana, hoy hatrany ity depiote ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT