Lesoka niaraha-nahita tamin’ny antenimieram-pirenena farany teo, hoy ny kandida ho depiote ao amin’ny boriborintany faharoa, Harivola Ravelonaina, dia mandainga izay nilaza ho tsy nandray malety teny. Mila ialana izay kolikoly izay.
Tamin’ny 5 taona lasa no hita farany ireo kandida ho depiote mbola niverina nilatsaka dia izao indray vao mody manao asa sosialy. Fomba fanao politika, tokony hahitsy daholo izany raha ny fanazavany hatrany. Tsy mazava ny lalàna mikasika ny fiomanana amin’ny fampielezan-kevitra na “précampagne”. Na ny OVEC sy ny CENI aza tsy mazava ny fanazavany. Efa misy kandida amin’izao feno afisiny ny tanàna saingy raha hanontaniana ny CENI dia hoe voarara ireny saingy tsy afaka manasazy izahay no valin-teny azo, hoy hatrany ity kandida iray ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.