Politique

Depiote Nicolas sy ny Jeneraly Ravalomanana Vaky ny ady eo amin'ny roa tonta


  • Alakamisy 04 Jona 2020

"Nanaovan'ny zandary eo ambany fiahian'ny minisitra Richard Ravalomanana antsojay ny tenako, hoy ny depiote Nicolas Randrianasolo, ka nosakanana saika tsy navela nandeha izahay sy ny mpiara-miasa amiko,

 

 

vao teo Ampangambe monja, raha andeha hihazo an'i Betroka handeha hanatitra fitaovana ilain'ny vahaka any amin'ny teorana nahalany ahy amin'ny fiarovana amin'ny fihanaky ny covid-19 sy fanafody hiadivana amin'ny tazomoka tena mamely any an-toerana. Marina fa ao anatin'ny fivoriana izahay ankehitriny, hoy izy, fa noho ny fahatsapana ny tena ilan'ny vahoaka an'ireo fitaoavana sy fanafody ireo dia nitsoriaka nidina aty Betroka vetivety ny tenako. Miseho lany ankehitriny ny tsy fitiavan'ity minisitra ity anay solombavambahoaka izay kilasiana ho dahalo avokoa, hoy ny depiote Nicolas, ary hoan'ny tenako manokana dia tsy lanin'ny vavoniny ny nilazako tamin'ny fihananan'ny governemanta sy ny solombavambahoaka fa tsy tokony ho dradradradraina an-gazety sy amin'ny haino aman-jery tahaka izay nitranga tao ho ao ny fahatrarana zandary hoe tratra nanao kolikoly fa mba tokony ho natao raharahan-tokan-tranon'ny zandary tao ihany aloha vao nisy fanasaziana rehefa mitombina ny kolikoly nataony satria manana ny fiainam-pianakaviany manokana koa izy ireo ary mamelom-bady aman-janaka toa antsika. Marihako, hoy izy, fa ny zandary ny rafitra mpandamina ny filamanana manakaiky ifotony indrindra ny vahoaka ka mendrika ny homena ny haja sahaza ho azy nefa tokony ho saziana koa izay tratra amin'izany klikly izany. Ambarako fa hanangona sonia tsy ho ela izay solombavam-bahoaka ny amin'ny hitakiana ny hanalana an'ity ministra ity amin'ny toerany". Vady ny ady, araka izany, eo amin'ity solombavambahoaka voafidy tany Betroka ity sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.

Ntsoavina Evariste

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT