Politique

Depiote Naivo Raholdina Nizara titra faobe miisa 400


  • Zoma 16 Jolay 2021

Tao anaty fety manetriketrika no nanatanterahana ny fisantarana ny fizarana titra faobe eto Madagasikara izay natomboka tao amin'ny boriborintany fahadimy nahalany ny solombavambahoaka,

 Naivo Raholdina, tetsy amin’ny kianja maitson’Analamahitsy omaly. Isany niady ny hanaovana ity fizarana titra faobe hoan'ny malagasy mpanajary tany ity aho, hoy ny tenany. 400 isa teo ho eo izy ireo no nahazo izany androany. Tao anaty fanajana ny hamehana ara-pahasalamana, hoy ny fanamarihana, no nanatanterahana ny lanonana ary antony nisantarana ny fizarana tety amin’ny boriboritany faha 5 dia satria ny depiote Naivo Raholdina niady ny hanaovana an'io fizarana titra faobe ho an'ny malagasy nanajary am-polo taonany ny taniny io. Izy ihany koa no filohan'ny vaomieran’ny fanajariana ny tany eny amin’ny antenimierampirenena. Tao no nanaovany ny ady. velirano voalohan’ny filoha Andry Rajoelina ny fanomezana sy fanomezana titra ny malagasy hisitraka ny taniny, hoy ny depiote Naivo Raholdina. Nanaitra ny minisitry ny fanajariana ny tany sy teknisianin'ny fananan-tany mba hanaja sy hanatanteraka izany ny tenany. Ankoatr’izay dia mbola nanamafy ny amin’ny tokony hanalana ny minisitra tsy mahavita ny asa sy mba hampidirana ny mpiara-mitolona anaty governemanata dia ny antoko politika TGV ihany koa I Naivo Raholdina. Tsy ho tanteraka ny vinan’ny filoha raha ireo mambran’ny governemanta amin’izao ireo no mbola ho tazonina eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT