Depiote Michel Ambalavato

> Niseho vahoaka voalohany tao Antsirabe


  • Alarobia 12 Febroary 2014

Asa avy hatrany ny an’ny depiote Jean François Michel na Michel Ambalavato no niatrehany ny fisehoana voalohany nataony taorian’ny nanambaran’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ny voka-pifidinana Solombavambahoaka ny alakamisy 06 febroary lasa teo.

Ny fitokanana ny “Maternité Salve Regina”, tantanan’ny Maseran’ny Triniteran’i Valencia moa ity nisehoany vahoaka voalohany tao Antsirabe ity. Tamin’izay no nisaorany manokana ireo vahoaka izay nametraka fitokisana taminy, indrindra fa ireo tena nifofotra tamin’ny fampandaniana azy. Nambarany fa amin’ny maha solombavambahoakan’i Madagasikara azy dia hiady mafy amin’ny fandrafetana lalàna ho an’ny fampandrosoana ny mpiarabelona ny tenany, indrindra amin’ny fanarenana ny tanànan’Antsirabe izay tena manomboka ho potika amin’izao fotoana. Tsy maintsy hojerena akaiky, hoy i Jean François Michel ny momba ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra fa ny reny sy ny zaza, ny tsy fandriampahalemana. Malalaka, hoy izy, ny fifandraisana aminy mba hisian’ny fifanomezan-tanana ho fampandrosoana an’Antsirabe izay ka nentaniny ny rehetra tsy hisalasala amin’izay tolo-kevitra amin’izany. Ny alatsinainy lasa teo moa dia nisy ny fiarahany nivavaka tamin’ireo kristianina tao amin’ny boriborintany misy ny fonenany ho fisaorana an’Andriamanitra tamin’izao nahavoafidy azy ho solombavambahoaka izao.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT