Ireo kaominina tany Tsihombe dia anisan`ireo nahitàna tranga hafahafa nandritra ny fifidianana kaominaly: nisy karatra mitovy
laharana saingy tsy « doublons » fa ankizy 10 sy 11 taona no nandatsam-bato. Izany dia mbola zava-doza raha oharina amin`ny fanambaran`ny CENI, hoy ny depiote voafidy tao Tsihombe, Masy Goulamaly. Efa nametraka fitoriana teo anivon`ny tribonaly misahana ny ady amin`ny fanjakana izy ireo saingy voaray fa tsy mitombina. Gaga aho fa tampotampoka misy indray ny “doublons” teo anivon`ny kara-panondrom-pirenena (CIN). Tsy fantatra ny ambadik`iny fanambarana iny, hoy izy, fa dia nailika tany amin`ny minisiteran`ny atitany (MID) indray ny zava-drehetra. Raha zohina dia ny delege sy ny distrika no manao CIN. Ny MID koa dia misy lesoka betsaka any amin`ny rantsamangaikany any ambanivohitra. Tsy voafehy ny CIN, kopia, hosoka maro, lisi-pifidianana… Noho izany, samy tokony handray ny andraikitra tandrify azy na ny CENI na ny MID ary nifampiresaka ka ifampizarana ny lesoka. Mipetraka ihany ny fanontaniana, hoy ity depiote ity: ahoana ny olom-pirenena izay nametraka fahatokisana amin`ireo olom-boafidy ireo ? Iza no miandraikitra ny fifidianana ? Mangarahara sy eken`ny rehetra ? Amiko fanakorontanana ireny fanambarana ireny fa ireo olona nitaraina no tokony ho noraisina manokana mba ahafahana manitsy. Ny zavatra ataon`ny CENI dia miezaka ny mandà sy manadio tena fa tsy manitsy ny zavatra tsy mety izay lesoka teto amintsika. Hentitra no nilazany fa tokony hialoha ny fifidianana ireny fanambarana ireny no natao ary tsy nahavita ny asany ny mpikarakara fifidianana raha izao vao nanao fanambarana. Miandry izay fanapahan-kevitry ny HCC isika ary tokony mandray an-tanana ity raharaha ity, hoy hatrany ny fanazavany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.