Araka ny fampitam-baovaon’Atoa Andrianasolo Léon Dola, mpanolotsaina momba ny lalànan’ny solombavahoaka MAPAR iray voafidy tany Vakinankaratra nefa namoahan’ny fitsarana didy managadra azy roa taona an-tranomaizina sazy mihatra, dia nanao fampakarana ny didy ilay solombavambahoaka voatondro io ka zony tanteraka ny manao ny asany izay nankinin’ny vahoaka nifidy azy. Nampahatsiahy ity mpahay lalàna iraisam-pirenena ity fa araka ny andininy 474 andalana voalohan’ny fehezan-dalàna mifehy ny paika eo amin’ny fitsarana ady heloka dia mihantona ny didim-pitsarana izay avoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany rehefa misy fampakarana any amin’ny Fitsarana ambony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.