Politique

Depiote mahaleotena Tsy miasa akory dia efa mamadika palitao


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Toy ireny tsy andrin’ireo depiote mahaleotena sasany ireny mihitsy ny fahatontosan’ny fotoam-pitsarana ny fifidianana solombavambahoaka

 

 

teny amin’ny HCC Ambohidahy ny talata 2 jolay teo nahafahan’ny 30 mianadahy tamin’izy ireo nanambara sahady teny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza omaly fa manohana ny fitondrana mijoro ankehitriny izy ireo. Raha voatototry ny tsikera ho mpamadika palitao ireo depiote mahaleotena nivadika HVM tamin’ny andron’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, dia niova kely fotsiny izany ve tamin’ity ny fomba fiady ka tsy mbola mivadika ho IRD aloha ireo voafidy tamin’ny maha mahaleotena azy ireo fa voatery nanao fanambarana miaraka fa manohana ny politikan’ny fitondrana ? Hafahafa fipoitra sahady indray ireto mahaleotena ireto ary diso ve ireo izay milaza fa miverina indray ny fahiny. Fantatr’ireto depiote ireto ve fa matoa ny olona nifidy kandida mahaleotena dia tsy azoazony ireo kandida natolotry ny antoko politika; kanefa ilay depiote mahaleotena indray no tonga dia manolo-tena hanohana ny filoha izay midika fa manaiky ny fotokevitr’ilay antoko politika nampandany azy tamin’ny fifidianana. Sa atsangana eny Tsimbazaza ny vondrona parlemantera vaovao manao hoe : “Depiote mahaleotena miankin-doha” ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT