Niakatra fitsaràna omaly 28 septambra tao amin'ny tribonaly ambaratonga voalohany ao Morondava i Raveloson Ludovic na Leva, depioten'i Mahabo teo aloha.
Nohelohin’ny fitsarana higadra herintaona an-tranomaizina, noho ny vono sy fandratràna nataony an-dramatoa Yasmina. 2 taona an-tranomaizina kosa noho ny fibodoana sy fanjakazakana tokana tamin'ny sehatry ny fandraharahana. Sazy mihatra avokoa ireo, araka ny didim-pitsarana. Tsiahivina fa voasambotra teny Analakely ny 16 septambra teo I Leva. Nifamahofaho tanteraka ny resaka satria nisy ny filazana fa efa nahazo fahafahana izy ny nahafahany no niverenana nosamborina. Efa voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina tao amin'ny fonjan'i Morondava izy, saingy tafavoaka tamin'ny fomba mahagaga rehefa nangataka izany tamin'ny fitsaràna ambony Toliara, hoy ny fanamarihana hafa. 7 taoriana nahatafavoaka azy no voasambotra i Leva.
DEPIOTE TSY NANITSAKA AN’I TSIMBAZAZA
Efa solombavambahoaka teo aloha I Leva no niverina nirotsaka indray handimby ny toerany ihany. Tao anatin’ny propagandin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombambahoaka farany teo no efa voatazona am-ponja vonjimaika tany am-ponja noho ireo raharaha maro nanenjehana azy. Ny nahagaga, dia mbola izy ihany no lany, kanefa tsy afa-nanitsaka ny varavaran’I Tsimbazaza. Nohamarinin’ny HCC ny fahabangan-toerany ka dia ny lisitra faharoa, izay ny vadiny ihany no niakatra ho eo amin’ny toeran’ny solombavambahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.