Naiditra am-ponja vonjimaika ao Morondava indray, raha ny fampitam-baovao voaray, ny solombavambahoaka teo aloha, Ludovic Raveloson, fantatry ny maro amin’ny hoe depiote Leva.
Efa notanana am-ponja vonjimaika izy nialohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana 2019, raha tsiahivina fohy, noho ny raharaha vono olona sy famotehana ala ny taona 2016. Araka ity fampitam-baovao ity hatrany dia mampiahiahy ireo olona akaiky ity solombavambahoaka teo aloha ity ny taratasy fanamarinana tsy fahasalamana nentina niampangana azy.Tsy hita fototra mazava any amin’ny toeram-pitsaboana, io taratasy io, hoy izy ireo.Efa nangataka tamin’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity moa tamin’ny faran’ny herinandro teo i Ludovic Raveloson, satria misy hoy izy ny zavatra manjavozavo ; nanamafy izany ihany koa ramatoa vadiny. Ny alatsinainy izao moa, raha ny vaovao voaray hatrany no hanatontosana ny fitsarana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.