Politique

Depiote Lanto Rakotomanga “Misy minisitra votsavotsa ao anaty governemanta”


  • Alakamisy 11 Martsa 2021

Miharihary ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpitondra. Taorian’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy naneho,

 

 

 

fa tsy faly amin’ny manodidina an-dRajoelina, dia naneho ihany koa ny Depiote Lanto Rakotomanga omaly tao amina fahitalavitra iray, fa misy tsy mahavita azy ao anatin’ny governemanta. “Misy votsavotsa ao anaty gvernemanta ao. Mino aho fa fantatry ny filoha hoe iza no tsy maharaka mihitsy, iza no maharaka ihany ary iza no tena mahavita? Marina fa efa nisy ny tolo-kevitra avy aty amin’ny solombavambahoaka mpomba ny fitondrana, marina fa misy ny votsavotsa ao anaty governemanta, saingy anjaran’ny filohan’ny Repoblika ihany no manapa-kevitra,…”, hoy ny ampahany tamin’ny nambaran’io olom-boafidy io. Tsara ny mampahatsiahy, fa taorian’ny fotoam-pahatsiarovana ny raharaha 07 febroary, dia efa naneho ny Depiote hoe: “manana manam-pahaizana izahay, ary izahay nianatra. Ny fanambaniana anay isan-karazany, dia aoka izay. Omeo toerana ny manam-pahaizana avy aminay rehefa tsy mahavita ny sasany... Izahay miteny, fa izahay tsy faly amin’ny manodidina an-dRajoelina ihany koa. Adinony izahay. Esory daholo ireo manafintohina eo akaikinao ireo; ireo mangalatra sy manao vinany esory any. Nomen’Andriamanitra “occasion” volamena be hanesorana izay tsy mamely, tokony hisaotra an’Andriamanitra isika”. Tato aoriana i Rossy, dia mbola naneho ny fisiana mpanao politika tsy tena sahy mijoro sy misitritsitrika, ka isan’izany ny ao anaty governemanta sasany. Somary malefaka kosa ny an’i Lanto Rakotomanga.

TENA NIADY SY NITOLONA…

 Efa hita taratra hatramin’izay ny fisiana ady mangatsiaka eo amin’ireo mpanao politika mahatsapa ho tena niady sy nitolona niakaran’ny Filoha Rajoelina eo amin’ny toerany. Saika olona namantam-bonona na ilay antsoina hoe sady tsy nitatatra no tsy nively farihy no betsaka, fa toa voahilika ny tena nitolona. Nomena ny teknisianina fa tsy ny politisianina ny ankamaroan’ny toerana, kanefa tsy tena nitondra vahaolana. Hanahirana ny Filoham-pirenena io. Ny mpanohitra efa olana, fa ny mpiara-dia ihany koa tsy takona hafenina ny lonilony.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT