Politique

Depiote Jean François Michel Hendry ny vahoakan’Antsirabe I


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Hendry ary mahatsapa ny fahaiza-manaon’ny TIM ny vahoakan’Antsirabe matoa nametraka fanindroany ny fitokisany, hoy ny depiote Michel izay mitarika vonjimaika hatrany hatramin’ny famoahan’ny CENI ny vokatra omaly tetsy Alarobia.

 

 

Nody ventiny ny rano nantsakaina, hoy ity depiote mamy hoditra sy malaza amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa sy fanampiana ny  fianakaviana sahirana ity. Nisaotra ny vahoakan’Antsirabe izy ary nanambara fa hotandrovina tahaka ny anakandriamaso ny fitokisana napetraka taminy. Tsy maintsy hotohizana, hoy izy ny fanaovana fotodrafitrasa izay nahafantaran’ny vahoakan’Antsirabe azy ary handany ny lalàna hampandroso izy rehefa eny Tsimbazaza. Harenina ihany koa ireo lesoka ary hanome fanantenana hatrany ny vahoakan’Antsirabe ny tenany. Mahakasika ny fisian’ny kandida mitory azy amin’izao fotoana izao dia nanambara ny tenany fa  ankoatra ny tsy fahazakana ny faharesena dia mividy olona hatao vavolombelona mandainga mihitsy hijoro amin’ny tsy fahamarinana io mpifanandrina aminy io.  Nizotra ara-dalàna tamin’ny ankapobeny ny fifidianana tany Antsirabe I, hoy izy. Tsy fomban’ny TIM ny mizara vola kanefa nolazain’io kandida mitory io fa nanaparitaka volabe ny depiote Michel tamin’ny andron’ny fifidianana. Nanambara ihany koa io olona io fa nizara lamba sy bodofotsy ny tenany kanefa tsy misy porofo sy sary. Toetra mamohehatra sy manimba ny taranaka ary ny firenena izany, hoy izy ary tsy hanaiky ny fisaratsarahana ambolen’ny mpanakorontana ny tenany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT