Ny taona 2003 aho no solombavambahoaka, hoy ny depiote voafidy tao Faratsiho, Honoré Rasolonjatovo.
Nanomboka ny taona 1988 tany kosa aho dia efa nahatsapa fa mikorosofahana isika satria nanomboka teo amin’ny antsoina hoe “liberalisation” dia toy ny hoe mandehana manao izay tiany atao. Tsy misy firy intsony ny fanajana lalana. Tsy misy mandray lesona ireo filoha nifandimby. Ny ao ambadiky ny hetsika misy rehetra hatramin’izao dia ny hoe ahoana no fomba handrodanana ny fitondrana misy? Matetika tsy mahandry ilay 5 taona izahay mpanao politika ary izay no antony ilazako hoe tokony hitady fomba fanaovana politika maoderina amin’izay isika. Na izahay maro an’isa ato amin’ny antenimieram-pirenena aza tsy mitovy hevitra. Rehefa misy zavatra tena ijerena tombontsoam-pirenena kosa dia mitovy fomba fijery ireo. Naha be resaka moa ny fandaniana ny lalana momba ny tetibola 2021 teo ary nahagaga ny mpanohitra hoe fa maninona indray izany no lany. Tsy nisy fanambazana vola sy 4x4 tao ary ho anay izay misahana an’Antananarivo ato amin’ny antenimieram-pirenena, hoy hatrany ny tenany, dia tsy mampaninona anay na tsy mahazo 4x4 aza. Ny tadiavinay dia ny hoe aleo hisy zavatra ilaina maika vita any amin’ny distrika misy anay tsirairay avy, hoy hatrany ity depiote ity.
J. Mirija
Legende: Depiote Honoré Rasolonjatovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.