Politique

Depiote Hanitra Razafimanantsoa « Vonona hisedra ny zava-drehetra izahay »


  • Zoma 29 Janoary 2021

Namaly bontana ny fanambaran’ny Praiminisitra naneho fampitandremana ny

 

 

 

 

mpanohitra ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly. Raha tsiahivina, nivory tontolo andro ny OMC-National notarihin’ny Lehiben’ny governemanta ny talata 26 janoary teo. Tokony hajaina ny safidim-bahoaka satria avy nandalo fifidianana isika. Tsy ekena ny sehatry ny lalao politika maloto amin’ny alalan’ny fihantsiana, fa indrindra sanatrin’ny vava aladin’ny lela mitetika hanozongozona ny fiandrianam-pirenena, ny filaminana, mba hisian’ny korontana maro isan-karazany, hoy ny Lehiben’ny governamanta Atoa Ntsay Christian. Nampitandrina amin’ny mba tsy hisian’ny fambolena korontana sy ny trangan-javatra mampalahelo, toy ny fanakorontanana sy adim-poko ny Praiminisitra, izay naneho fa tsy azo ekena izany. Mandray andraikitra ny Emmo-National raha izay tokoa no tian’ny sasany hahatongavana, hoy izy, izay azo antoka fa miantefa amin’ny mpanohitra. "Renay fa hoe misy mieritreritra ny hisambotra anay eto amin'ny Miara-manonja. Vonona hisedra ny zava-drehetra izay matoa mijoro sy miteny. Asa sy andraikitry ny depiote ny manao tatitra amin'ny vahoaka. Tsarovy fa fanaovana tatitra no antony nandehanan'ireo depiote 73 (MAPAR sy TIM) teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ny 2018. Avy amin'io hetsika io no naha praiminisitra an'Atoa Ntsay Christian, ka aza manao ririnin-dasa tsy tsaroana ka aty amin'ny 2021, dia lazaina fa manakorontana rehefa maneho hevitra sy mitatitra ny zava-misy", hoy kosa ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT