Tsy fahita hatramin’izay teo amin’ny tantaran’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na ny HCC ny hoe nisy didy navoaka,
dia avy eo novaina indray hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa nandrtra ny famakafakana nataony tao amin’ny Miara Manonja omaly.Izany no vokatry ny kiantranoantrano tamin’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny HCC , hoy izy satria misy vady andefimandrina manampahefana ambony ao, misy ny sasany ny tery ihany no nalaina dia nafindra toerana fotsiny, resaka akamakama no betsaka.Tsy ny olona mety amin’ilay andraikitra no lasa eo amin’ilay toerana hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.Nanaitra ny HCC izy ka nanao hoe : izao sahady ve dia effa tsy azo itokiasana ianareo ry HCC, ka rehefa hiatrika fifidianana izany dia asa.Sa izay ve ilay hoe olona azo baikoana sy atao saribakoly no napetraka amin’io toerana io hoy hatrany ity solombavammbahoaka TIM ity.Fanitsiana tsipelina moa no nambara fa antony nanatsoahana tao amin’ny tranokalan’ny HCC ny hevitra navoakany momba ilay volavolan-dalàna 2021-006 mahakasika ny lehiben’ny mpanohitra.Navoaka ho hitan’ny besinimaro izy io ny 26 jona, notsoahana tampoka indray ny 28 jona , avy eo naverina navoaka ny 29 jona ka notsoahana tao ny momba ilay hoe mpanohitra ivelan’ny parlemanta afaka misafidy mpitarika iray na maromaro. Niteraka resaka tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany iny raharaha iny ary na tiana na tsy tiana dia manaratsy endrika ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana nosokajiana ho ambony indrindra amin’ny fanajana ny lalàa velona ; raha ny mpanohitra moa dia efa nilaza fa tsy azo itokisana raha io HCC mandroso mihemotra io no hikirakira sy hamoaka ny voka-pifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.