Politique

Depiote Fetra TIM Ho avy ny korontana raha tadiavin’ireo


  • Alarobia 13 Aprily 2022

Ny hita tao anatin ny fitondrana Andry Rajoelina sy fitondrana teo alohany dia ny fanaovana ny mpitandro filaminana ho hery famoretana sy ny fitsarana ho fampitahorana sy fampihorohoroana ary ho atao fanagadrana ireo tsy mitovy

hevitra amin’ny fitondram-panjakana mihitsy, sanatrian’izany, hoy ny filohan’ny parlemantera Tiako I Madagasikara (TIM) eo anivon’ny antenimieram-pirenena, ny Depiote Fetra Ralambozafimbololona. Raha nisy nanao izany nihoatra ny hafa rehetra ary mbola tsy nisy toa azy tao anatin’ny 60 taona dia ity fitondrana Rajoelina ity, hoy izy. Alohan’izay dia efa azoazo an-tsaina fa mety hanelingelina azy ity ramatoa mpanolontsain’ny tananan’Antananarivo ity. Tsara ampahafantarina ny rehetra koa fa lohalisitra mihitsy tamin’ny fifidianana monisipaly izany olona izany. Rehefa sahy nilaza sy sahy namotsipotsitra ny tsy nety amin’ny fitantanan’ny ben’ny tananan’Antananarivo ary tonga hatramin’ny fitakiany ny fametrahan’io ben’ny tanana io fialana na ny fanalan’ny filoham-pirenena azy io mpanolontsain’ny tanana sady filohan’ny fikambanan’ny mpitondra Taxi eto Antananarivo renivohitra io dia ireny no natao azy. Ny mahagaga anatin’ity raharaha ity dia niharihary ny fisian’ny tombo sy ala mikasika ny resaka fisamborana, fiantsoana eny amin’ny zandary, heloka ana habaka sy ny rehetra. Ny tena loza ao anatiny dia mety tsy voatery ny filoham-pirenena no naniraka izany mpitandro filaminana izany fa misy tandapa ao. Tompon’andraikitra nefa ny filoham-pirenena rehefa misy mpiara-miasa aminy maniraka sy mibaiko mpitandro filaminana. Ny mampalahelo dia sady lasa maloto anatrehan’ny vahoaka ilay mpitandro filaminana no mahita raharaha amin’ny lehibeny koa raha tsy manatanteraka baiko. Na lehibe eo amin’ny fitandroana filaminana io na minisitra na tandapa hafa. Tokony hisy fotoana mba hanohitra rehefa mahita baiko any amin’ny tsy izy koa anefa ny mpitandro filaminana satria safidiny io fa tsy tokony hanaraka baiko bontolo fotsiny. Tsy misy afa-tsy mpitandro filaminana no alefa rehefa tsy voavaha na ny olan’ny mpianatra na mpiasam-panjakana sy izay tokony andraikitry ny mpitondra fanjakana rehetra. Tsy ahavita na inona na inona anefa ny mpitandro filaminana raha mitroatra ireo vahoaka ireo ary ny ankohonana sy vady aman-janak’ireo mipetraka eny amin’ny fiarahamonina. Ny tsy azon’ny mpitondra dia hoe ho avy ny korontana raha tadiavin’ireo izany. Tsy tia korontana ny antoko politika TIM sy ny mpiaradia aminy ary izay no nahafantarana azy hatramin’izay, hoy hatrany ny tenany, nefa misy fetra ny zava-drehetra.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT