Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Mpitandro filaminana sisa tsy mitokona eto”


  • Zoma 05 Novambra 2021

Efa nampoizina daholo izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, hoy ny depioten’i boriboritany fahadimy, Fetra Ralambozafimbololona,

 sady filohan'ny vondrona parlemantera Tim voafidy omaly hariva. Ratsy misy fepetra voaheritreritra tsara avy amin’ny fitondram-panjakana dia mbola hiha ratsy, hoy izy, izao zava-misy izao. Miharihary ny tsy fifehezana ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny tsy fitovian-kevitra amin’ny paikady sy famaritana ny laharam-pahamehana eto. Tsy maintsy hihafara amin’izao fitokonana lavareny sy etsy sy eroa izao izany satria natao sorona ny mpiasa. Ny mpiasa anefa no fototry ny famokarana sy fampandrosoana. Eo koa ny tsy fifehezana politika sy ny fitantanana ara-toekarena iraisan’ny firenena mahatonga izany. Ny mpitandro filaminana sisa tsy mitokona satria ireo sisa no manana basy mitazona izao fitondrana izao. Tsy mitsahatra manatanteraka ny adidinay izahay eto anivon’ny fanoherana. Eo ny sata voafaritry ny lalampanorenana. Mitsikera ary amin’ny maha solombavambahoaka dia manara-maso sy manao tombana ny asan’ny mpanatanteraka. Hatreto dia marina ny ankamaroan’ny ahiahinay sy ny fanamarihana nataonay dia hoe tsy ny laharam-pahamehana no nizorana fa tany amin’ny manaitaitra. Mbola maizina ny ampitso. Tsy misy antoka hoe hanao ahoana ny taranaka? Izany aza mbola lavitra ezaka fa ny fohy ezaka dia hoe ahoana ny harapaka rahampitso? Raha misy tsy fahasalamana sanatria amin’izao fotoana izao dia inona no hanjo ny vahoaka Malagasy maro an’isa? Nisy iny mpiray tanindrazana iny izao nanambara fa hamoy ny ainy raha tsy mihavana ireo mpitondra teo aloha sy amin’izao. Mampahatsiahy ny tranga taona maromaro lasa tany Tonizia izy iny. Tadidio fa ny tena nampafana ny hetsika hoe “printemps arabe” tamin’izany sy nampiongana mpitondra fanjakana maro taty Afrika sy Afrika avaratra ireny dia noho izay fitarainana tsy nisy nihaino ka nandoroana tonizianina iray ny tenany izay. Tsy zakany intsony ny fiainany. Tsy zakany koa ny nijery ny mpiray tanindrazana aminy niaina tanaty fahasahiranana nefa ny mpitondra niliba sy nanao tantely afa-drakotra ny harem-pireneny ary araka ilay voalaza teo hoe tsy nijery ny laharam-pahamehana. Tokony ho saintsainin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao indrindra ireny satria ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no tena tomponandraikitra mivantana sy irery satria azy ny fanapahan-kevitra rehetra. Tsy hahasakana anay mpanohitra ny zandary sy ny mpitandro filaminana. Tsy hahasakana ny filoha Marc Ravalomanana izany fa adidinay eo anatrehan’ny firenena ny mitsikera sy milaza ny zavatra tsy mety hahafahan’izao fitondrana izao manitsy ny diany na dia azo lazaina ho efa tara ihany satria 2 taona sisa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT