Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Hitondra amin’ny ady an-trano izao fomba fanao izao”


  • Alatsinainy 27 Desambra 2021

Tsy hangiana izahay hitaky ny fahalalahana miteny, hoy ny filohan’ny parlemantera eo anivon’ny antoko politika Tiako I Madagasikara, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.

 Politika no atao, hoy izy. Manana adidy izahay amin’ny maha mpanao politika, olom-boafidy, mpanohitra hilaza ny tsy mety amin’ny fomba fitantanan’ny mpitondra ity firenena ity. Aleo ny vahoaka no hitsara fa ny zava-nisy tany Toliara dia niaraha-nahita tamin’ny haino aman-jery hoe nosakanana izahay, nandefasana mpitandro filaminana, nandefasana baomba mandatsa-dranomaso nefa tsy misy antony fa ao an-tokontanin’ny filohan’ny mpanohitra, Marc Ravalomanana, izahay no nikasa hankalaza ny tsingerintaonany miaraka amin’ny mponin’Atsimo andrefana sy ny mpikambana mpanohana azy. Izay aho vao nahita mpitondra natahotra mofomamy. Tsy famoriana olona an-dalambe no nokasaina fa anaty tokontany mihidy izay fananan’ny filoha Ravalomanana manokana. Hita hoe nahomby ny hetsika satria tsy mpikambana TIM irery no nitsena anay tany. Mikasika ny fahafatesan’ny namana Jean Louis izay isan’ny mpikambana TIM, vadin’ny Maitre Helisoa, isan’ny tomponandraikitra TIM sy RMDM any amin’iny faritra Atsimo andrefana iny izay iombonanay alahelo sy ampaherezanay azy. Tampoka ilay izy ary ny tena mampalahelo ao anatiny dia tsy misy tompon’ny aina isika kanefa ny fijerinay azy dia tsy asan-jiolahy tsotra ireny. Aoka ny fanadihadiana no hamoaka ny tena marina fa ny fijerinay azy aloha dia raha jiolahy hangalatra dia nisava trano sy nitondra izay azony nentina teo na firavaka na vola na fahitalavitra sy ny hafa kanefa ny vaovao henonay dia hoe nanafika ry zareo dia nitifitra dia namoy aina ny namana Jean Louis. Tsy nitondra na inona na inona ireo mpanafika. Inona no antony? Misy ambadika politika ve sanatria? Alaim-panahy izahay hiteny hoe ohatran’ny tsy kisendrasendra izany satria andro vitsy taorian’ilay fankalazana voalaza teo. Misy tsy mahazaka any ambadimbadika any noho ny tahotra sy fahafantarana ny herin’izany antoko mpanohitra sy TIM ary RMDM izany. Manao ny fomba rehetra tsy hitenenany sy tena manitsakitsaka ny lalana velona hahatonga ny vahoaka tsy hiteny sy tsy manaja demokrasia sy fahalalahana miteny. Manantena izahay fa hiasa an-kalalahana tsy hisy tsindritsindry ny mpitandro filaminana hanao fanadihadiana satria tsy azo ekena ny mifandatsaka aina. Ny hevitra no tsy mitovy fa aza ampidirina amin’ny fanao toy izao satria hitondra antsika amin’ny ady an-trano, hoy hatrany ny tenany, ka tokony ho saziana mafy ny tompon’antoka tamin’izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT