Politique

Depiote Fetra Ralambozafimbololona “Efa niongana io fitondrana io raha ratsy saina ny TIM”


  • Talata 31 Aogositra 2021

Toy ny antoko politika rehetra ny Tiako I Madagasikara, hoy ny depiote voafidy teny amin’ny boriboritany fahadimy, Fetra Ralambozafimbololona,

 

 nanazava ny anton’ny fameloma-maso na “redynamisation” an’ny TIM ankehitriny toy izay natao teny amin’ity boriboritany ity farany teo. Manana fotokevitra sy vinam-piarahamonina, hoy izy, ary manana fomba fifampitaizana ao anatiny koa. Misy fomba entin’ny sasany manaratsy moa hoe “culte de personnalité” no ao fa Ravalomanana no indraindraina na sanatrian’izany ivavahana ao. Tsy marina izany sy ny hoe izy no manao izay tiany atao ao. 20 taona latsaka kely hatramin’ny mbola naha fikambanana fa tsy antoko azy, izany hoe, ny taona 2001, no efa tao ny tenanay. 2002 moa no nivadihany ho antoko. Ny mpifanandrina politika tamin’izany fotoana toy ny TGV sy ny MAPAR izay tafaraka aminy ankehitriny no nitondra ilay voambolana voalaza teo ho fanatsatsoana ny TIM satria mpifanandrina politikany izahay. Fantany ny tanjan’izany TIM izany. Tsy misy afaka mifaninana amin’ny TIM raha resaka fananana rafitra ifotony manerana an’I Madagasikara. FokoTIM ny eny amin’ny fokontany. ComTIM ny eny amin’ny kaominina. DisTIM eny amin’ny distrika. RegTIM any amin’ny faritra. Mamoha ireo rafitra isan-tsokajiny ireo izahay satria somary natoritory ireo teo vita ny fifidianana. Ny any ifotony no kendrena hanendry ny kandida TIM manomboka any amin’ny ho filoham-pokontany. Ho an’ny boriboritany fahadimy moa dia vita ny alakamisy teo ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitry ny TIM teto sy ireo mpanohana. Zava-dehibe ny hoe andao hifampitaiza ara-politika amin’izay fa tsy ohatra tsara ireny nomena tamin’ny 2009 ireny fa fanonganam-panjakana. Gaga mihitsy ny olona hoe na dia nezahana nopotehana aza ny TIM dia maninona mbola mijoro hifaninana anaty fifidianana rehetra hatrany? Tsy vovonana na vondrona nefa io. Tsy fanabeazana ara-politika ireny hoe miainga amin’ny TGV ny 2009 dia lasa MAPAR dia lasa IRD, IRK, IRMAR sy ny tsy fantatra intsony ireny satria nanao ny tsy nety sy tsy nahatanteraka ny atao hoe fifanarahana tamin’ny vahoaka dia afabaraka dia manova anarana toy ireny orinasa tsy nahatanteraka tanjona ireny. Tsy mba tia gidragidra sahala amin’ny sasany ny TIM ary raha ratsy saina izahay ka manararaotra ny fahasahiranan’ny vahoaka dia aman’andro dia efa niongana io fitondrana io. Hain’ny TIM ny mijery laharam-pahamehana ary antony nanamboarana lalana satria ny tantsaha no maro an’isa eto ary mila mamoaka vokatra. Demokrasia, fahatahorana an’Andriamanitra, fahaizam-manao ihany ny anay, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT