Politique

Depiote Doda Andriamiasasoa “Nisy nahitsinay ny tetibolam-panjakana kanefa…”


  • Talata 28 Jona 2022

Naneho hevitra mikasika ny fahalanian’ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsana (PLFR 2022) izay lany tsy nasiam-panovana teo anivon’ny antenimieram-pirenena ny Filohan’ny Vaomieran’ny vola eo anivon’io andrim-panjakana io

dia ny Depiote Doda Andriamiasasoa omaly. Nambarany fa nisy ny fanintsiana teo anivon’ny Kaomisionina saingy voatsipaka tany amin’ny fivoriam-be sy ny tsanga-tànana. Lapan’ny demokrasia, lapan’ny mpanao politika, dia tsy maintsy ny maro an’isa no miteny, raha ny fanazavany. « Nisy ny fanintsiana tao amin’ny Kaomisionina. Isan’ireny ny « Droit de Visa » latsaky ny 15 andro, izay tsy mandoa vola, tsy hampidi-bola no tanjona amin’io, kanefa volabe no tokony ho azo amin’izany, ho avy ohatra ny Lalaon’ny Nosy. Nisy ny fanovana, fa rehefa tonga teo amin’ny maro an’isa, dia voatsipaka. Toy izany ihany koa ny tohana ara-bola na “subvention” 500 miliara Ar homena ny Jirama izay nambarany fa be loatra, izany hoe omena 1,370 miliara Ar isan’andro, raha zaraina 26 tapitrisa ny Malagasy, dia manome 52 000Ar isan’olona isan’andro. Tsy adala akory izahay tsy hahita an’izany, fa ny maro an’isa no manapaka, hoy hatrany ity depiote ity. Kely loatra kosa anefa raha ny nambarany ny 40 miliara kosa ny vola natokan’ny Fanjakana handoavana ny “charge patronale” makany amin’ny CNaPS, izay sahaza ho an’olona 200 000 eo ka io ihany ve ny mpiasa tsy miankina io? Hoy izy. “Manahirana saingy demokrasia no ato, politika no atao ato”, hoy hatrany ity solombavambahoaka IRD ity. Notsipihina fa raha ny Kaomisionina no manao an’io betsaka ny zavatra ahitsy. Ao anatin’ny kaomisionina aza misy miteny hoe: na inona fanintsiana, lany foana ny endriny natolotry ny governemanta rehefa tonga any amin’ny fivoriam-be. “Izahay no tokony hanao ny lalàna, dia manatanteraka ny governemanta, saingy amin’izao tsy dia izay fa ny governemanta no manao tsindry”, raha ny nambaran’io solombavambahoaka IRD io. Izay metimety amin’ny governemanta sy ny antokony ihany no lany ao Tsimbazaza fa tsy izay metimety amin’ny vahoaka. Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izay tena aina hihodinan’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka, saingy izao no fombe hitondrana azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT