Politique

Depiote Brunelle Tsy mifankahazo amin’ny mpitondra intsony ?


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Niteraka resa-be ny tsy fahazoan` ny depiote voafidy tao Ikongo, Brunelle Razafitsiandraofa, izay lany tamin` ny alalan` vondrona IRD, miteny sy miseho amin` ny haino aman-jerim-panjakana (RNM/TVM).

 

 

Raha nanontaniana mivantana omaly , ity solombavambahoaka mahakasika ity tsy fahazoana miteny amin` ny RNM sy ny hoe sao mifanindran-dalana amin` ny fizarana faritra Vatovavy sy Fitovinany ity resaka ity, dia hoy indrindra ny navaliny : “tsy mahalala izany aho aloha fa an-dry zareo moa ny tanàna dia izay tiany atao io. Terena aho hanaiky hanala an`Ikongo ho an` ny faritra Fitovinany. Izaho tsy hanaiky. Ny vavako aloha tsy hiteny mihitsy. Ny olo-be ao an-tanàna dia tsy manaiky izany rahateo”. Marihana fa Ikongo no terena alefa any amin`io faritra Fitovinany io hiaraka amin` i Manakara sy Vohipeno. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa hisy hetsika karakarain' ny fanjakana any Mananjary amin` ny 01 novambra izao. Araka ny loharanom-baovao dia tezitra ny Ampanjaka any an-toerana satria tsy fanaovana fety izany ny fetin'ny Maty izany. Hentitra no nilazan` ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa fa “Te hanao défi hoe mahazaka an’i Mananjary ny olona ao ambadik` io resaka io.Tsy hanaiky an` io ny ampanjaka.” Notsipihany hatrany fa mandalo izy ireo amin' io fitondrana io. Raha be indrindra 8 taona eo raha mahazo fe-potoam-piasana faharoa araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana. Tsy hanapotehina ny tantara sy ny hoavin` ny faritra izany, hoy hatrany ity depiote ity. Raha tsiahivina dia tsy vao izao ity solombavambahoaka ity no nisedra olana tahaka izao. Ny volana jona lasa teo dia nivahiny tamin` ny fandaharana “kaodalina” ny tenany tamin` ny haino aman-jerim-panjakana. Tsy nivantana moa ny nanatontosana ny fandaharana fa natao vonona ka niandry ny andro nandefasana azy sisa. Taoriana izay anefa, dia nisy ny baiko midina fa tsy mahazo alefa io fandaharana io. Nitsikera mafy ny antsojay nahazo azy ity depiote ity ary nohitsiany mihitsy ny minisitry ny serasera nandritra izany fivoriana tsy ara-potoana ny 09 jona lasa teo izany. Raha tsiahivina hatrany dia anisan` ireo depiote nafana fo nampandany ny filoha Rajoelina i Brunelle Razafitsiandraofa ary isan`ireo depiote 73 niady ho azy teny an-kianja tamin’ny 2018 saingy ankehitriny kosa hita fa manomboka mifanalavitra ny fomba fijery, ary tratry ny antsojay tahaka ny mahazo ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fanjakana.

Marigny A.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT