Politique

Depiote Brunelle « Tsy hiresaka politika aho, Ikongo aloha no maika izao »


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Tsy manana eritreretina ankoatr’izay mahazo an’Ikongo aho aloha hatreto, hoy ny depiote voafidy tamin’ny lokon’ny fitondrana mijoro ankehitriny tany amin’ity distrika ity, Brunelle Razafitsiandraofa,

 raha nanontaniana ny heviny tamin’ny alalan’ny antso an-tariby mikasika ny fipetraky ny fanohanana ny fitondram-panjakana sy ny filoham-pirenena manoloana izao zava-misy ankehitriny izao. Sahirana, hoy izy, ny vahoaka aty. Ny lalana tsy misokatra. Any akaikikaikin’ny 29 martsa any mihitsy aho angamba vao mety hanana fikasana hiakatra any Antananarivo. Mbola fikasana koa aza izany fa ho hita eo ny fivoaran’ny zava-misy, hoy hatrany ny tenany. Hita ho mandalo fahasahiranana tanteraka, araka izany, ankehitriny ny fitondram-panjakana raha tsy hijery fotsiny ireo tranga maha menatra na “scandale” miseho lany vitan’ny ankamaroan’ireo mpikamban’ny governemanta sy ny fifampitsikerana mivaivay eo amin’ireo samy ao anaty fitondrana ihany. Nilaza moa ny faran’ny herinandro teo ny avy eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga fa tsy hiditra ao anaty governemanta manaraka eo. Tranga izay azo ilazana ihany koa fa manomboka miala amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ireo mpanohana azy ary efa saika mifantoka any amin’ny taona 2023 ankehitriny ny mason’ny mpanao politika maro.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT