Politique

Depiote Brunelle Naverina eto angaha ny “censure” ?


  • Alarobia 10 Jona 2020

Nandritra ny tatitry ny minisitry ny serasera tamin'ireo depiote teny amin'ny CCI Ivato omaly, dia namaky batsilana ny fomba fiasan' ny haino aman-jerim-panjakana ny depiote Jean Brunelle Razafitsiandraofa.

 

 

 

 

 «Nantsoina aho hanao fandaharana manokana CODAL ny talata 02 jona lasa teo. Natao ny «mise en boite» tamin'ny 05 ora sy sasany hariva. Nody avy eo fa hoe alefa ny alarobia. Niandry aho io andro io kanefa tsy nandeha ilay fandaharana. Nantsoiko ny tompon’andraikitra dia milaza izy ireo fa tsy navelan' ny teo anivon' ny ministeran'ny serasera nalefa. Midika ve izany fa misy ny «censure» na sivana amin’ny zavatra avoaka amin’ny haino aman-jery ? Isika mpiara mitolona kanefa maninona no mifanao an izany ?» hoy ny depioten’Ikongo. Tsikaritra amin’ny alalan’ity tranga iray ity fa efa lasa mihenjan-droa ny tady eo amin'ny samy mpomba ny filoham-pirenena. Misy ireo mahatsiaro ho voahilika ka manomboka mitaraina etsy sy eroa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT