Tsara kokoa raha mitovy ny herijikan’ireo kandida filoham-pirenena eto amintsika ka izany no antony nandrafetana ny tolo-dalàna entina hamerana ny vola ampiasan’ny kandida tsirairay avy manddritra ny Propagandy.
Izay no hevitry ny solombavambahoakan’Ikongo Brunelle Razafitsiandraofa tompon-kevitra amin’ity tolo-dalàna vaovao ity.Efa vonona io tolo-dalàna io raa ny firesak’ity depiote ity omaly saingy miandry kely ny fanolorana azy noho ny fandaminana anatiny amin’ny fomba fiasa eny amin’ny antenimieram-pirenena ; misy tokoa mantsy ireo asa mbola tsy vita mila alefa mialoha satria efa vary mangatsiaka tamin’ny fivoriana teo aloha.Tsy vao izao moa no nisy resaka momba ity hoe famerana ny vola ampiasain’ny kandida filoha amin’ny propagandy ity fa efa mialohan’ny fifidianana ny taona 2014 saingy tsy nety vita izy io, ary dia samy manao izay saim-pantany sy mampiasa izay vola tiany ampiasaina ireo kandida.Mazava ho azy fa ny kandida be vola no afaka mitety an’i Madagasikara sy manao fampielezan-kevitra igagam-bahoaka. Hatreto aloha, dia ny kandida be vola hatrany no voafidy ho filoha teto Madagasikara, ary izay angamba no mahatonga ireo mpandraharaha ara-toekarena toa mifaninana miditra amin’ny sehatra politika. Raha fitsipi-dalao madio sy tsy mitanila tokoa anefa dia tokony ho ferana io vola ampiasaina mandritra ny fampielezan-kevitra io, atao mazava tsara ihany koa hoe avy aiza marina ny vola ampiasain’ny kandida.Ho an’ny solombavambahoaka sasany dia tsy hoe ratsy ny lalàna eto Madagasikara fa ilay fampiharana azy foana no misy olana hatramin’izay. Ary raha fifidianana manokana dia loharanon-korontana foana io teto Madagasikara satria misy mahatsapa ho niharan’ny tsy rariny ; miteny ihany koa ny vola ka mampiahiahy ny tena maha safidim-bahoaka madio azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.