Miankina amin` ny fivelaran` ny distrika tsirairay ny fampandrosoana ny firenena.
Efa hita taratra ny asam-pampandrosoana izay mifototra amin` ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fandriampahalemana ary ireo fotodrafitrasa maro isan-karazany ho an` ny disitrikan` Sainte-Marie, araka ny nambaran` ny depiote Ravonty Tam Teon Luc Urbain dit Momone, izay voafidy tany an-toerana.. Nitondra hafatra mavesatra ho an` ilay olom-boafidy teo aloha ity solombavambahoaka ity noho io olona io manakorontana ny asam-pampandrosoana any an-toerana. “Manelingelina ny asam-pampandrosoana ny olom-boafidy teo aloha. Tsara no mampatsiahy an`ilay olom-boafidy teo aloha fa mba tokony hipetraka tsara izy. Avelao ny olona hiasa fa tsy hanana toe-tsaina toy ny taloha ka hanembatsembana ny hafa miasa”. Santionan` ny asa fanelingelenana ataon` ilay olom-boafidy teo aloha ny fanakorontanana ny tale jeneralin` ny JIRAMA am-perinasa. Hentitra no nilazany fa tsy tokony hafangaro ny politika sy ny teknisianina ary tsy fotoana ny fanelingelenina izany fa fotoam-piasana izao. Notsipihany manokana fa raha misy zavatra tsy maty ao am-po dia tokony hiandry fotoam-pifidianana manaraka io olom-boafidy teo aloha io ka eo izy no mampiseho hoe lanim-bahoaka na tsia. “Lasa tsy hain`ny vahoaka intsony ny marina. Aty aho mamonjy fivoriana, ilay olom-boafidy teo aloha manelingelina. Disitrika misitraka fampandrosoana i Sainte Marie amin` izao. Navela niasa izy teo aloha ary ny vahoaka no nitsara raha mety na tsia ny nataony” hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.