Depiote Andrianarivo Hary

> Asa avy hatrany


  • Alatsinainy 10 Febroary 2014

“Tsy andron’ny resabe sy ny fifandrafiana intsony izao fa fotoanan’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny asa”, hoy i Andrianarivo Hary, depiote voafidy tany Ambositra tamin’ny sabotsy teo, tao Antamponivinany, raha nihaona voalohany tamin’ny vahoaka nifidy azy izy sy Razakamady, mpiray lisitra aminy ao amin’ny Mampiray.

“Mora hampandrosoina ny distrikan’Ambositra” hoy izy, “rehefa misy ny firaisankina sy fifanomezan-tanana ataon’ny rehetra”. Tsy maintsy mandroso ity tanàna ity na dia handaniako ny faripananako aza, hoy ny depiote Andrianarivo. Efa nigagan’ny vahoaka tao amin’ny distrika iray manontolo tokoa moa ny zava-bitan’io solombavambahoaka io nandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra fa dia nitovitovy tamin’ny an’ny kandidà ho filoham-pirenena mihitsy ny vola laniny tamin’izany. Tonga dia fanatanterahana fampanantenana tokoa no nataony fa dia natolony tamin’io andro io ireo moto nampanatenainy ho an’ireo borigadin’ny zandarimaria sy ho an’ny kaomisaria ao an-tampon-tanàna. Nambarany koa fa homeny solosaina araka ny nifanarahana ireo Fokontany dimy nahazoany vato be indrindra. Hotoloran’izy ireo farafara ihany koa ireo trano fiterahana amin’ny hopitalim-panjakana rehetra manerana ny Distrika. Tsy maintsy ho filamatra eto Madagasikara Ambositra, hoy ny depiote Andrianarivo Hary sy Razakamady, ka miantso an’ireo kandidà nifaninana tamin’ny kandidan’ny Mampiray izy ireo mba hampiseho firaisankina sy hifanolo-tanana hahatrarana izany fanamby goavana izany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT