Politique

Depiote Alain Ratsimbazafy “Tsy haka toeran’ny filoha lefitra faha-7 izany ny TIM”


  • Alakamisy 09 Septambra 2021

“Tsy mivaky ny antoko tiako i Madagasikara ary iray. Iombonana ny fanapahan-kevitra aisina ao; ny lehiben’ny antoko Atoa Marc Ravalomanana no efa niteny fa tsy handray ny toeran’ny filohan’ny mpanohitra

 izay filoha lefitra faha-7 eny Tsimbazaza ny TIM dia izay no izy ary hajaina ny fistipiky ny antoko”, hoy ny Depiote Alain Ratsimbazafy omaly tamin’ny fampahalalam-baovao. Tsy misy depiote TIM handray ny toeran’ny filoha lefitra faha-7 eny amin’ny antenimieram-pirenena izany na misy aza ireo depiote namorona ny Miara-manonja faharoa, raha halalinina io satria voafehin’ny fitsipiky ny antoko. Ny TIM no antoko mpanohitra eny amin’ny antenimieram-pirenena ka fisandohana sy fandikana lalampanorenana no ataon’izay vondrona parlemantera hafa mieritreritra haka io toeran’ny filohan’ny mpanohitra io, ry zareo aza mpanohana fitondrana, raha ny voalazan’io depiote io. Takian’ny TIM kosa mikasika ity fanoherana dia ny fampiharana ny lalàna 2011-013, izay mamaritra mazava ny fanoherana eto Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT