Tsy mipetra-potsiny akory ny solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao fa miezaka midina ifotony manampy ny vahoaka.
Ho an’ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy manokana dia teny amin’ny kaominina Ambohidrapeto sy Ankadimanga no nisantarany izany ny fiandohan’ny herinandro teo, nitohy teny Ampitatafika omaly. Nomarihiny nandritra izany fa miezaka manampy ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny tenany amin’ny fanaraha-maso ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana tokony ho an’ireo olona marefo izay misy manodinkodina. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia tao amin’ny distrikan’Atsimondrano izay hiadidiany no nisy ireo olona nanao izany izay nahatratra folo ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana izy ireo ankehitriny. Marihina moa fa mbola hitohy ary hiitatra any amin’ny kaominina hafa izao fanampiana entin’ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.