Politique

Depiote Alain Ratsimbazafy « Haitraitra no mahamaika ny fitondrana »


  • Talata 22 Desambra 2020

Haitraitra no tena mahamaika ny fitondrana ankehitriny hoy ny depiote Alain

 

 


Ratsimbazafy voafody tamin'ny anaran'ny antoko Tiako i Madagasikara fa tsy ireo tena maharary ny vahoaka raha nanontaniana mikasika ny tanimbary maina eny Atsimondrano izy. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia efa tokony hiasa feno ireo tantsaha mpamokatra mampiasa ny lemak'Ampitatafika saingy noho ny tsy fisian'ny ranon'orana dia mihitsoka tanteraka izany. Na izany aza hoy ny depiote Alain Ratsimbazafy dia tokony hahita vahaolana mifandraika amin'izany ny Apipa hahafahana manondraka ny lemak'Ampitatafika. Tafiditra ao anatin'ny asany izany hoy izy ary tokony handraisany andraikitra tokoa. Notsiahivina hatrany moa fa tantsaha mpamokatra ny 80% -n'ny Malagasy noho izany tsy tokony hataon'ny fanjakana ambanin-javatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT