Politique

Denis Alexandre Lahiniriko “Tsy fanova ny tantara”


  • Alarobia 16 Jona 2021

Fotoana hijerena todika ny lasa hanomanana ny hoavy ny fankalazana ny fahaleovantena, hoy ny mpahaitantara,

 

 

Alexandre Denis Lahiniriko, naneho ny heviny manoloana ny kabarin’ny filoham-pirenena mikasika izay fankalazana izay amin’ity taona ity. Efa isaky ny renivohi-paritany foana no nankalazana azy io hatramin’izay, hoy izy. Mba tian’ny filoham-pirenena foana ny milaza hoe hanova ny tantara. Manahirana ihany ilay izy indraindray hoe inona no tena tiany hahatongavana? Fahazoana izay lafiny iray dia hoe nisy tantara teto Madagasikara, raha ohatra fahaleovantena fotsiny izao no resahantsika dia firenena vitsy na tsy nisy ady an-trano teto fa saingy nitotongana hatrany ny fiainan’ny mponina tao aminy. Nisy boky momba izany sy fandinihana nataon’ny manam-pahaizana koa moa, isany ny tenanay, nahitana hoe misy misitery mihitsy eto fa firenena manana ny maha izy azy, manankarena raha resaka harena an-kibon’ny tany fotsiny ohatra. Marina fa nisy karazana ady an-trano ihany teto ny taona 2001, ohatra, fa nitotongana foana ny harinkarena. Raha ny hanova izay zavatra izay no tian’ny filoham-pirenena tenenina mba tsy hitotongana intsony fa hiakatra dia tsy diso fa zava-dehibe aza mba ho zavatra tsara indray no ho lovain’ny taranaka. Ny somary manahirana fotsiny ao anatin’ilay fomba fiteny dia rehefa ohatra ka ilay fijery ny lasa no ovaina satria mety hisy koa izay. Zava-nisy ny lasa ka tsy azo ovaina. Tsy hoe isika amin’izao mijery ny any aoriana dia mahita hoe tsy metimety amintsika ilay izy fa ity no mety dia iny no tenenina hoe marina. Izany “bataille d’Andriba” na ady tany Andriba izany izao malaza be ary fomba fitenin’ny Malagasy ny “tsy misy mafy noho ny tao Andriba”. Ny mpahay tantara anefa rehefa nandinika dia mahafantatra fa tsy nisy ady akory tao. Vao tonga fotsiny ny frantsay dia nanapoaka tafondro ka rehefa naheno an’iny ny miaramila tamin’ny fotoan’androny dia nilefa. Tahotra ny ho tapa-doha satria nitsoaka an’ady no nitenenany rehefa tonga teto Antananarivo hoe tsy misy mafy toy ny tao Andriba. Raha izay no atao hoe manova tantara dia tsy manova fa mandiso tantara. Ny tantara tsy fanova. Ny fikarohana ireny rehefa nively dia manara-penitra, araka ilay fiteny amin’izao. Ovaina noho ny antony inona? Ny rovan’Antananarivo izao novaina hoe rovan’I Madagasikara. Rova Malagasy toy ny any Tsinjoarivo sy faritra be dia be tokoa io. Raha izay no itenenana azy mety tsy dia haninona fa raha lazaina fa rovan’i Madagasikara io dia midika hoe nitondra an’i Madagasikara izay nanjaka tao. Tsy izay anefa no tantara, hoy hatrany ny tenany.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT