“Tsy tokony ho sakana amin` ny soatoavina Malagasy ny fametrahana rafitra repoblikanina eto Madagasikara.
Ny tsy fametrahana ireo kolontsaina sy tsy fametrahana ny soatoavina Malagasy no mahatonga ny faharavana ny repoblika hatramin` izay”, hoy Gerard Noel Ramamimampionona, filoha lefitry ny CFM, faritanin` Antananarivo. Ny fametrahana ny fototra iorenan` ny repoblika eo amin`ny soatoavina no tokony hampiharana amin`ny repoblika mifandimby, hoy ihany izy. “Inona no antony nampiova antsika repoblika in’efatra ao anatin` ny 62 taona ? Tsy fantatsika ve ny tena maha izy ny Malagasy? Tsy fantatra ve ny soa iombonana? Tsy fandraisana maimaika ny zavatra any ivelany fa tokony miorina amin`ny fototra izay tena Malagasy. Miverina amin`ny maha Malagasy tsara isika dia miorina izany”. Sao mila miverina mamaritra ny atao hoe fandrosoana isika, hoy izy, mba hahafahana mamaritra politika amintsika Malagasy. “Sao ilay fandrosoana heverintsika fa finana am-bolony ny zavatra any ivelany? Ny fandrosoana dia ianao miorina amin`ny maha anao izay”. Notsipihany hatrany fa mila fanabeazana ny vahoaka na koa ireo mpitondroa mahakasika ny demokrasia na koa ny Repoblika. “Raha mbola maka soa ho anao sy ho an`ny antokonao dia mbola tsy repoblikanina izany. Mijery soa ho an`ny besinimaro no izy”, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.