Politique

Demokrasia sy ny fampandrosoana Mikatri-doha ireo Parlemantera SADC


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Mandray anjara amin` ny « Forum parlementaire de la SADC » ny solombavambahoakan’i Madagasikara.

 

Niroso tamin` ny fifidianana ny birao hisahana ny komity ara-paritra, izay hamolavola sy hanara-maso ireo lalàna lasitra anatin’ny vondrona SADC, ka voafidy ho filoha i André Léon Tumba, avy amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ary filoha lefitra Rtoa Bertha Ndebele avy any Malawi. Marihana fa anatin’ ny asan’ny komity amin’izao fotoana ny famolavolana ny lalàna mikasika ny herisetra ara-pananahana, ny toekarena nomerika, ny fitantanana ny volam-panjakana ary maro hafa. Ny lalàna lasitra dia entina hanatsarana ny fampiharana ny demokrasia sy ny fampandrosoana amin’ny lafiny sosialy sy toekarena ho an’ireo firenena ao anatin’ny vondrona SADC. Anisan’ny novolavolaina anatin’izany ohatra ny lalàna mikasika ny VIH/SIDA ; ny fifidianana ; ny fanafoanana ny fanambadian’ny ankizy sy fiarovana ny ankizy efa manambady ; ny fitsipika entina hiarovana ny mponina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT