Politique

Delestazy manara-penitra Nahita ny tsy fahita hatramin-dRajoelina!!!


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Raha hitaraina sy hiantso vonjy ary haneho hahatezerana eny fa misy mahateny ratsy mihitsy aza ny olom-pirenena manoloana ny delestazy mankaleo, dia raisina ho tsy fitiavana sy finiavana hitsikera ny fitondram-panjakana.

Efa tsy misy mpihaino, tsy misy mpiraharaha ka delestazy nolazain’ny minisitry ny angovo ny 18 febroary 2022 fa tsy tokony hisy intsony afaka iray volana, vao mainka mahery vaika aty amin’ny 4 volana aty aoriana. Nolazain’ny Minisitry ny angovo indray omaly, fa mbola tsy ho voaarina ao anatin’ny 3 volana ny fanadioavana ao amin’ny Jirama, tahaka ny faktioran-tsolika tsy voaloa, gafy ataon’ireo ambara fa mafia, fanadihadiana lalina na “audit” mbola mandeha,… Ingahy Andry Rajoelina Filoham-pirenena mihitsy omaly no nahita sy niaina ny fahatapan-jiro teo am-pikabariana teny amin’ny CCI Ivato. Tezitra sy sorena na mody nanao sarisarin-teny aza. “Tsy afaka ny hiresaka ao anatin’ny maizina, ka mangataka ny teknisianina mba hampiretina ny jiro, rehefa tsy misy teknisianina dia ny minisitry ny antsoiko handrehitra ny jiro. Sa ny filohan’ny repoblika mihitsy no handeha hampiakatra ny disjoncteur? Rehefa misy olana mantsy dia ny Filohan’ny Repoblika no hifatrarany,…”, hoy i Andry Rajoelina. Fifandrifian-javatra sa efa lapoasy araka ny fitenin-jatovo fa izay alehany toa misy olana ara-jiro foana. Tsy vao sambany io, fa nandritra ny lalaon’ny ekipam-pirenena ny alahady 05 jona teo teny Mahamasina ihany koa dia efa saika tsy nirehitra ireo “projecteurs”. Amin’ny fotoana tahaka ireny, mandeha haingana be ny baiko hamerenana ny jiro satria ao ny Filoha, ka mety ho azo sokajiana amin’ny hoe: “micro coupure”, ary mety misy milina mpihary herinaratra mandeha avy hatrany vao tapaka ny an’ny Jirama. Ny an’ingahy filoha 2 minitra efa mahasorena azy, fa ny manjo ny vahoaka kosa adin’ny iray, adin’ny roa, adin’ny telo, ary efa nisy adin’ny telo ambinifolo aza angamba tany aloha, efa tena tafahoatra, olana mandavan-taona na maina andro, na ririnina, na fahavaratra,… Resy lahatra aho fa ny nomerika no lalan-tokana hampandrosoana an’i Madagasikara, hoy ingahy Andry Rajoelina tany Dubaï. Tena ilaina ny nomerika fa amin’ity 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra sady tsizarizary?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT