Raha efa nanantena avokoa ny rehetra fa hankalazaina amin’ny datin’ny 14 oktobra ho avy izao ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny faha-62 taonan’ny Repoblika voalohany dia nanambara ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny alahady alina teo fa any Antsohihy,
Faritra Sofia irery ihany no hankalazana izany. Miaina amin’ny fiainana toy ny andavanandro rehetra ihany ny vahoaka manerana ny Nosy hoy izy noho ny mbola tsy fahafahana mamory olona mihoatra ny 200 isa. Eo an-daniny hoy izy dia eo an-dalam-pamaranana ny ady hatao amin’ny valanaretina Covid 19 isika no sady miady amin’ny kere na ny hanohanana mahazo ireo vahoaka any amin’ny Faritra Atsimo ihany, ady izay tsy azo tsinontsinoavina. Tsiahivina moa fa anisan’ny nisafidianana an’Antsohihy ny maha-tanindrazan’ny Filoha Philbert Tsiranana azy izay nitantana tamin’ny Repoblika voalohany. Any an-toerana araka izany no hatao ny fankalazana izany amim-pomba ôfisialy ary ho avy hanatrika izany any an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.