Politique

Dany Rakotoson “Tsy lasa lavitra izay mandeha haingana”


  • Talata 02 Febroary 2021

Ny tsy fihetezan-javatra rehetra misy eto amin’izao fotoana izao dia miainga avy

 

 

 

 

amin’ny tsy fananantsika politika matotra ahafahana mampandroso ilay firenena, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Jereo fa mipetraka izao ny an’ny Amerikana ny planina rehetra vao tonga ny filoham-pirenena vaovao hoe 1.900 miliara dolara ny tetibola. Ny an’ny teo aloha moa 900 miliara no nataony. Aiza ho aiza amin’izany ny praogramantsika Malagasy ao anatin’ny 5 taona? Raha resaka vary fotsiny no ifampiresahana dia efa tamin’ny repoblika faharoa isika no nihinana “stock tompon”. Efa 2021 isika izao mbola izay ihany fa novena hoe “Vary tsinjo” fotsiny ny anarany. Mampalahelo izany. Sisam-barin’ny any ivelany foana ve izany no arosonao ny vahoakanao? Inona no politikan’ny rano sy ny fambolem-bary? Politika faran’ny tsara ve ireny fanafarana “tracks” ireny? Nanangana FER isika fa aiza ny fahombiazany? Tsarovy fa mahatonga fahatezeram-bahoaka izany ary nahatonga fahalavon’ny fanjakana nisy teto foana. Tsy mampandroso anefa izany. Izay ilay hoe raha te andeha lavitra dia mandehana miaraka fa raha te handeha haingana dia mandehana irery. Tadidio anefa fa tsy lasa lavitra izay mandeha haingana, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT