Politique

Dany Rakotoson “Olana fototra io fihetsiketsehan’ny fitondrana io”


  • Talata 15 Desambra 2020

Isan’ny vahaolana naroson’ny fitondram-panjakana manoloana ny fidangan’ny

 

 

vidim-piainana ny fanafarana vary ho jifaina amin’ny vidiny 550 ariary ny kapoaka. Tadidio anefa, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, fa ny resaka vidim-bary dia misy resaka fanagiazana na hoe “spéculation” foana an’ny mpanangom-bary ao. Misy fanafenam-bokatra na “rétention des stocks”. Tanjon’ny sasany hoe io fa maitso ahitra. Tsy mbola malalaka eto ny fanaovana vary. Ny afera rehetra mihitsy na menaka sy ny rehetra dia tsy mbola malalaka. Lalàn’ny tolotra sy tinady io resaka famerana vidim-bary ataon’ny minisiteran’ny indostria io fa tadidio. Ny tokony nataony hatramin’izay dia ny fanofanan’olona mihitsy amin’ny resaka fanafarana dia mba tadiavina izay tsy hanaovan’ ireny mpamongady matanjaka ireny tsindrio fa lavo. Ireny no tokony saziana. Tadidio fa isan’ny mampijaly tambanivohitra ihany koa io famerana io. Mampetimpety ny tambanivohitra ny fiakaran’ny vidim-bary ary ny an-drizareo tsy mba hoe 1000 na 2000 taonina ny variny fa raha misy dia misy dia 2 na 3 taonina. Iny tombony kely iny no mba iainany sy mahavita ny taonany. Rehefa tonga ny fameran’ny fitondram-panjakana hoe 79.000 ariary no vidim-bary dia mety mihena fotsiny ny tombom-barotra ho an’ny mpanao aferafera fa ny tantsaha mpamboly voafelaky ny tehamaina mafy ao anatiny. Olana fototra noho izany io politikan’ny fanjakana manao fihetsiketsehana na “activisme” io. Ny fikambanan’ny zon’ny mpanjifa no tokony miezaka manao lalana sy miaro ny zon’ny mpanjifa ao anatin’izao fa zary anaran’olona fotsiny ilay fikambanana, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT