Politique

Dany Rakotoson « Mila antoko mpanohitra matanjaka eto »


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Miezaka mametraka ny fanantenana ho an'ny vahoaka ny mpitondra amin'izay hieritreretany azy, hoy ny mpanao politika, Dany Rakotoson, raha naneho ny heviny mikasika ny fihetsiketsehan’ny fitondrana ankehitriny, mba hilazana fa miasa izy.

 

 

 

 

 

 Rehefa tsy mazava ny vina sy ny soritr’asa dia fihetsiketsehana na « activisme » no anaromana izany. Tsy mitondra fivoarana haingana sy iarahana anefa izany, hoy izy. Rehefa tsy misy ny fifampitokisana dia hita foana ny anaratsiana izay ataon'ny tsirairay. Mahay milaza daholo izay te hilaza fa ny serasera aloha dia nahavita zavatra ny fitondrana, hoy hatrany izy, mba hilazany fa miasa izy. Izay iray fa ao anatiny koa dia misy ny fiteny frantsay hoe mampiaina ny tsy misaina ny fanantenana ary ao anatin’izany dia tsikaritra ho misy fandrendrehana saim-bahoaka na “diversion”. Ny hahafahana mivoaka ao anatin’izao olana amin’ny firenena izao fotsiny dia Samia miasa amin'ny sehatra misy azy. Aza lany andro amin'ny fitsikerana tsy ahitam-bokatra. Mila antoko politika mpanohitra matanjaka ankoatry ny antoko mpanohana ary mila antoko fahatelo koa dia ny « ecologiste » isika mba hisian’ny fifandanjana eto, hoy hatrany izy.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT