Politique

Dany Rakotoson “Mifangaro ny asan’ny mpitondra sy mpanao asa soa”


  • Talata 06 Oktobra 2020

Ny zava-misy ankehitriny dia maneho avokoa fa mbola tsy mandroso ny firenena ary tsy ao anatin’ny politika mazava iarahan’ny rehetra, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

 

 

Mpitari-tsambo ankehitriny ny mpitondra fanjakana ary isan’ny asany ny fampiarahana ny olona rehetra anaty sambo hiara-kandroso mba hanome toerana hitodiana mazava tsara fa raha tsy izany dia misavoritaka sy mifandrafy. Mila asa be dia be isika satria maro ny tanora tsy an’asa manerana ny nosy. Saika tsy misy orinasa any amin’ny faritra kanefa ny fananganana ivon-toerana na “centre” ve no vahaolana? Inona no politikantsika momba ny famoronana asa, ny fampianarana, ny fandriampahalemana? Ahoana no fomba fanapariaham-pahefana mazava tsara mba hisian’ny vola miserasera isam-paritra? Rehefa tsy mazava izany fa asa kitaitaitra fotsiny na “activisme” no ataonao dia tsy handroso mihitsy ny firenena. Tsy asan’ny fanjakana ny manao fanampiana fa ny mitady vahaolana maharitra amin’ny olana rehetra mipoitra. Tsy hoe hiandry fanampiana avy any ivelany foana. Mila mahay mifidy olona tsara isika amin’ny 2023 fa tsy mampandroso firenena ny taitaitra. Mifangaro eto, hoy ny fanazavany, ny asan’ny mpitondra sy mpanao asa fanasoavana. Asan’ny mpanao asa fanasoavana fa tsy mpitondra fanjakana, hoy hatrany izy, ny manangana ivontoerana hanomezana sakafo. Ny asan’ny mpitondra dia ny mitady vahaolana maharitra hananan’ny vahoakany asa hahafahany mampianatra ny zanany, manana trano, manana fiara, maka rivotra, sy ny hafa rehetra. Izany no atao hoe politika, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT