Politique

Dany Rakotoson « Mampatahotra fa miha tsy mankato mpitondra ny vahoaka »


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Efa tara ny famahana ny fihibohana saingy hisaorana aloha fa mba efa nisy an’izay, hoy ny mpandraharaha sy mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

 

 

Efa ela ny mpanao politika no nilaza fa tokony efa novahana ela izany. Tsy fantatra mihitsy moa ny tena antony nanaovana ilay fihibohana satria na ny fitondram-panjakana aza dia nilaza fa efa nisy aretina teto, nahatratra 294 ny isan’ny olona maty tamin’ilay izy. Tsy nisy fihibohana. Izao 100 mahery ny resaka Coronavirus kanefa efa 4 volana ny fihibohana. Izay no mahatonga ny zava-miseho eny amin’ny fiarahamonina vao miha mampahantra azy. Madagasikara efa firenena faran’ny mahantra dia mbola hampahantrana hatrany koa ny vahoaka ao aminy noho ilay fihibohana dia ataoko hoe misy andraikitry ny fanjakana lehibe mihitsy nahatonga izany. Ny fahitana ny vahoaka miha tsy mankato mpitondra tao anatin’izay fihibohana izay, hoy hatrany ny fanazavany, dia tranga mampatahotra ary vahaolana ho an’ny mpitondra ny fahaizany mihaino sy misokatra. Anarana fotsiny no hoe fihibohana, hoy izy, fa na ny mpitandro filaminana aza dia hitako hoe nanao izay tsy fankatoavana na “désobeissance civile” izay ihany koa. Hita tamin’ireny sakana ireny izany. Tadidintsika ireny tamin’ny 26 janoary 2009 ireny, izay nisian’ilay hoe Alatsinainy mainty, fa tsy nahitana mpitandro filaminana intsony eraky ny tanana kanefa dia nandroba fotsiny ny olona. Sanatria hiverina amin’ireny ve isika, hoy hatrany ny tenany ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT