Rehefa te hanova zavatra hoy i Karl Marx dia alaivo aloha ny fitondrana, hoy ny fanazavan’ny mpandinika raharaham-pirenena,
Dany Rakotoson, mikasika ny fifanasana politika hiatrika fikaonan-doham-pirenena nanaovan’ireo herivelona politika maro antso avo farany teo. Izay foana, hoy izy, amin’izao fotoana izao no ataon’ny mpanohitra sy fitondram-panjakana. Vokany dia firenena farany mahantra hatrany hatreto i Madagasikara ary ny vahoaka no mizioga izany. Fahoriana, tsy fandriampahalemana, tebiteby lalandava, fahatapahana lalan-dra no iainan’ny vahoaka. Ny fitondram-panjakana no tompon’andraikitra voalohany amin’izany tsy fihetezana izany. Ny mpanohitra sy ny rehetra dia manana tanjona haka fitondrana foana. Stratejia daholo na fikaonan-doha na fidinana an-dalambe na fifanaratsiana isan-karazany. Hatreto voambolana fotsiny ny hoe fanovana ifotony fa ny fomba ahatongavana amin’izany mbola tsy taratra mihitsy na anaty fotokevitrana antoko io na ideolojia politika iray misy eto amin’ity Madagasikara ity. Raha mbola tsy misy olona anaty antoko manana izay ideolojia mari-pototra izay fa tsy mivadika palitao isaky ny mihetsika mitarika an’io dia ho eto foana isika. Averiko ihany fa andraikitry ny fitondram-panjakana ny fikaonan-doham-pirenena fa tsy hoe izy indray no natao hamaly izany. Izy no tokony hiantso ny herivelona rehetra fa tsy politika fotsiny hanao izany. Lasa fikaonan-dohan’ny mpanohitra ilay izy rehefa tsy izay. Raha te hanova zavatra eto amin’ny firenena ny antoko politika dia alamino aloha ny antokonao, hoy hatrany ity mpandinika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.