Politique

CUA-Mangotraka ny toe-draharaha Mihozongozona ny toeran’i Naina A.


  • Alarobia 30 Martsa 2022

Mihasarotra ny toeran’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina. Taorian’ny fe-potoana nomen’ny Fikambanan’ny Taxi ny Filoham-pirenena ny hanesorana azy ao anatin’ny 12 andro nanomboka ny

 sabotsy lasa teo, dia ny mpiasan’ny kaominina indray no manao tsindry toa efa manosika an’ingahy ben’ny tanàna hiala noho ny raharaham-pitantanana hafahafa. Nohorakorahan’ny mpiasan’ny kaominina ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ny alatsinainy 28 martsa maraina teo nandritra ny fananganan-tsaina tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna. Nampiantsoan’ny DRH mihitsy ny mpiasa rehetra hanatrika ny fananganan-tsaina. Ny mahazatra dia isaky ny departemanta no manao ny azy, fa tamin’io indray mitoraka io nisy ny fampanantsoana ho etsy amin’ny Lapan’ny tanàna. Io no fotoana iray hitan’ny mpiasa, izay mivondrona amin’ny Fikambanan’ny mpiasa miisa 3 eo anivon’ny Kaominina nanehoana ny tsy fahafaliany. Nohararaotin’izy ireo nanehoana ny heviny mikasika ny raharaham-pitantanana ny kaominina, ka isan’ny goavana ny fananganan’ny CUA ny orinasa SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale). Nandritra ny fanananan-tsaina no nihorakorahan’ny mpiasa ny hoe: “Miala ny SMGD”, ary efa misy aza ny hoe: “Miala Mr Le Maire”. Rehefa tsy miala ny SMGD dia hiitatra any amin’ny ben’ny tanàna. Tsy nampoizin’ingahy ben’ny tanàna, raha iny tompon’andraikitra ambony handeha hamonjy ny birao no nandeha ny horakoraka. Ny tena programa dia mandritra ny fandraisam-pitenenan’ingahy mera no hanaovana ilay fihetsika, saingy tsy nandray fitenenana Atoa Naina Andriantsitohaina, fa ny Lehiben’ny Sampana mpamonjy voina no nandray ny fitenenana. Ny SMGD no lasa mitantana sy mikirakira ny hetra sy haba avy amin’ny tsena, karatra maha mpivarotra, parking, hetran-trano, licence taxi-be sy taxi,,… ka voalaza fa mandrotsaka ny 30% amin’ny vola miditra ho an’ny SMGD ny CUA. Volam-panjakan no resaka eto, izay tokony hirotsaka any amin’ny « Trésor », ka mifanohitra amin’ny LOLF (Loi Organique relative aux Finances Publiques) io, hoy ny fanehoan-kevitra teknika. Misy kiantranoantrano ihany koa ao anatin’ny SMGD satria voalaza fa misy olona olona akaiky sy misy rohim-pihavanana amin’ny ben’ny tanàna. Voalaza fa nakana ny hevitry ny mpiasa ny fananganana io SMGD io, izay antony nakana vola 11 miliara Ar tamin’ny CNaPS.


Nilaza moa i Faniry Ernaivo, izay isan’ny nanapoaka ity raharaha CNaPS sy ny CUA ity, fa tsy nakany amin’ny Easy Park ilay vola, ka asaivo avoakan’i Naina vazaha miaraka ny vava miteny ny kaonty nampiasana io 11 miliara io, hoy izy. « Tsy findramam-bola io, fa fizaram-bola, nomena bôjy ny volan’ny beantitra, omena ny ben’ny tanàna bôjy ny volan’ny beantitra, satria amin’izao isika miteny izao tsy nandeha tany amin’ny Easy Park ary tsy nanaovana Parking. Efa hamerina, ka hamerina amin’ny inona fa izahay aza rebirebena ka hoe efa mamerina izahay ao anatin’ny 5 taona fa iza no miteny aminao fa mbola ho eo ianao afaka dimy taona?”, hoy hatrany io Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara teo aloha io. Re moa fa hanao fandaharana manokana handeha amin’ny fahitalavitra vitsivitsy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina anio alarobia raha tsy misy ny fiovana.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT