Manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao izay ahiana hitondra ho any amin’ny ady an-trano, hoy ny CT Andrianalijohn Ndriamanampy Emmanuel avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, dia manao antso avo ny tenany ny hamahana izao krizy izao amin’ny alalan’ilay tolokevitra fanomezana fahefana feno ny Praiminisitra Omer Berziky ahazoan’ity farany mampihatra ny voalazan’ny tondrozotra, izay «patron»-ny.
Miangavy indrindra ireo namana parlemantera CST sy CT aho, hoy ny CT Satrobory, rehefa nanapa-kevitra ny hitady vahaolana ihany ka nitotototo hatreny Mahazoarivo sy mivorivory etsy sy eroa… dia andao haseho ny vahoaka fa tena mahatsapa ny fahoriana isika ka hiray feo sy hifanome tanana amin’ny fampanjariana ny fanomezana fahefana feno ny praiminisitra izany handaminany ny raharaha. Notsiahivin’ny CT Satrobory ny zava-nisy faha Tsiranana Philibert izay nambarany fa mpitondra tena tian’ny olona nefa noho ny zava-nisy tany Atsimo tamin’izany fotoana izany dia maro ireo olona tany amin’ny faritany izay nolazaina fa mpomba azy, dia ny Monima, no nalefa tany Nosilava ka sarotra ny raharaha satria saika nivadika zavatra hafa.
Rehefa nifanatona anefa izy sy ny Raiamandreny Monja Jaona dia nilaza ity farany fa “izaho no tompon’andraikitra tamin’ny zava-niseho ka ataovy izay ataonao amiko fa alefao mody ireo nalefa any Nosilava”. Tsy dia lavitra izany ny zava-misy amin’izao fotoana izao amin’ny raharaha Remenabila. Efa maro ireo maty sy latsa-dràa ary tsy vitsy ireo mifindra monina tahaka ireny tany miady any ivelany ireny. Ka mbola haveriko koa, hoy ny CT Satrobory, fa mila ampihavanina i Marc Ravalomanana sy Andrinirina Rajoelina. Mila mifampidinika isika mianakavy, fa tsy misy lalana afa-tsy ny tondrozotra tanterahina no hany ivoahantsika amin’ny krizy. Ampy izay ny ra latsaka sy ny fijaliam-bahoaka ka ampandefero ny hambom-po diso toerana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.