Politique

CT Razafindraibe Jean Claude Mahamenatra ny raharaham-pirenena ankehitriny


  • Talata 06 Novambra 2012

Mahamenatra ny raharaham-pirenena ankehitriny, araka ny fahitan’ny CT Razafindraibe Jean Claude, avy amin’ny MDM na Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara azy, raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety ny tenany nandritra ny fandalovany tao Vakinankaratra.

 Nolazainy fa tsy misy mety tonga saina amin’ny zava-misy na ny mpitondra na ny vahoaka kanefa efa tena latsaka an-katerena tanteraka ny firenena. Nambarany fa mila mandini-tena ny rehetra satria hifamono eto ny samy Malagasy raha mbola hitohy izao krizy izao. Aminy dia be fanantenana amin’ny mety hisian’ny fifidianana ny tenany. Izay ihany no vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao saingy tokony hatao amin’izay hifanarahan’ny rehetra izany mba ahazoana ny fankatoavan’ny mpifidy sy ny sehatra iraisam-pirenena.

Mahakasika izay fifidianana izay dia nambarany fa efa vonona amin’izany ny MDM any amin’ny faritra Itasy misy azy ary efa tafapetraka ireo rafitra rehetra ao amin’ireo Kaominina 52 mandrafitra ireo Distrika telo iandraiketany, ary efa eo am-pitiliana ireo olona hatolony ho kandida ny fikambanana hatreto ankoatra ny filoham-pirenena izay nolazainy fa efa vonona ny azy ireo. Nambarany ihany koa fa tsy manana olana amin’ny antoko Arema izay niaviany izy na dia efa fantatra aza fa ho kandidà amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny filohan’ny MDM.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT