Politique

CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest «Tsy hisy hahasakana ny fodian’i Dada izany»


  • Talata 30 Oktobra 2012

Nafana indray ny hetsiky ny mpitaky ny ara-dalŕna tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena ny sabotsy 27 oktobra lasa teo.

 Nisy rahateo ireo vahiny avy aty Antananarivo nanotrona ny mpitolona tao Antsirabe. Nambaran’ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest fa toy ny sahobakaka ambodiriana ny FAT amin’izao fotoana ka mitaintain-dava satria tsy azo sakanana intsony ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana, ary nambarany fa tsy hisy fifidianana ho raikitra izany eo raha tsy tonga eto Madagasikara ny tenany.

Anisan’ny nankarary ny an-dohan’ny FAT ihany koa ny hafatra nentin’ireo parlemantera frantsay izay mitaky ny tsy hisakanana ireo izay te hilatsaka rehetra sy ny famotsoran-keloka faobe, hoy ity solombavambahoakan’Antsirabe teo aloha ity. Nambarany ihany fa miandry am-pahatoniana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana ny Malagasy rehetra izay nampahorian’ny FAT amin’izao fotoana ary miandry azy hofidiana hitantana an’i Madagasikara indray. Notsipihin’ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest fa tsy manana kandidà afa tsy ny filoha Marc Ravalomanana ny mpitolona mitaky ny ara-dalàna ka diso izay milaza fa raha tsy afaka milatsaka izy dia efa misy ny kandidà efa vonona hisolo azy.

 
Caïus Raharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT