Tsy mitandro hasasarana amin’ny fijerena ny sehatry ny fampandrosoana ao amin’ny Distrikan’Ambositra ny mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita, Raharimalala Lydia.
Ireo zokiolona sy ny tanora tao Ambositra indray no nahazo tohana sy fanampiana avy aminy tamin’ny herinandro lasa teo. Nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona tao Ambositra no nilazany fa tsy tokony hatao tsinontsinona ireo beantitra fa anisan’ny olom-pirenena manan-jo hiaina ao amin’ny fiarahamonina sy ny firenena. Nanolotra vola fanampiana ny fikambanan’ny zokiolona tao Amoron’i Mania ny tenany no nankahery azy ireo hiezaka amin’ny sehatry ny fampandrosoana.
Eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena dia tia mikarakara lalao baolina kitra ho an’ny tanora eny anivon’ny Fokontany ny CT Raharimalala Lydia satria nifarana tamin’ny alahady 07 oktobra lasa teo tao Ambositra ilay fifaninanana “Kitra an-tanimbary”. Nandraisan’ireo Fokontany maromaro ao Ambositra anjara ity lalao ity izay nizotra araka ny tokony ho izy izay nanomboka tamin’ny alakamisy 12 jolay hatramin’ny alahady 07 oktobra teo. Nanome toky ny hanohy hatrany ny asa fampandrosoana ara-tsosialin’ny tanora sy ny vahoaka ao Ambositra ity mpikambana amin’ny kongresy ity na dia efa misy aza araka ny nambarany ireo manelingelina izany.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.