Politique

CT Donazy “Leo an-dRajoelina ny any Vangaindrano”


  • Alarobia 10 Oktobra 2012

Nisy fotoana namita iraka tany amin’ireo faritra niaviany avy ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Efa manomboka miverina tsikelikely eto an-drenivohitra izy ireo amin’izao fotoana izao. Omaly, ohatra, dia nanao tatitry ny diany tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana ny CT Donazy. “Leo an-dRajoelina ny any Vangaindrano”, hoy izy. Ny fotodrafitrasa natsangan’ny filoha Marc Ravalomanana tany an-toerana mantsy dia potika avokoa, ao anatin’izany ny lalana. Ilay “vitrine” napetrak’i Dada niompiana omby be ronono dia nopotehina, ny fiainam-bahoaka mikororosy. Eo amin’ny fampianarana dia nahazo “kit scolaire” ny mpianatra tsirairay teo aloha, eo koa ny fanampiana ara-bola telo arivo Ariary isan’ankizy ary dia maimaimpoana ny fampianarana eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra, manginy fotsiny ny fanampiana ara-tsakafo tany an-tsekoly. Ankehitriny anefa dia tsy latsaky ny roa alina Ariary no tsy maintsy aloan’ny ray aman-dreny vao mahatafiditra mpianatra eny amin’ny EPP. Na inona na inona fanaratsiana natao ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny CT Donazy dia “mampitaha ny olona fa tena nahavita zavatra teto amin’ny firenena iny lehilahy iny ka tsy azo heverina ny tsy hirotsahany hofidiana, handraisany andraikitra”.

Mangataka ny hirotsahan’ny filoha Marc Ravalomanana hofidiana indray ny any Atsimo Atsinanana mba afahany manohy ny tetikasa efa natombony. Ny fandriampahalemana indray dia mampiteny ny moana satria efa tsy matory ao an-tanàna intsony ny olona fa any an-tsaha noho ny fanafihan-dahalo. Momba izay tsy fandriampahalemana izay indrindra sy ny nahafaty ireo olona marobe izay tsy fantatra na tena dahalo tokoa na tsia sy ny fanjavonan’ny omby dia hangataka ny hananganana vaomiera hisahana ny fanadihadiana eo anivon’ny Kongresy ho an’i Befotaka ny CT Donazy. Ankoatra ireo dahalo any an-toerana manko, araka ny fanazavana dia eo koa ireo dahalo ambony latatabatra. Amin’ny talata herin’ny omaly moa ny fivoriana ara-potoanan’ny parlemantan’ny tetezamita faharoa.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT